Tsy very dia fa toa varimbariana
Raha tsy eo anilako eo ianao
Tsaroako misy banga ny fiainako
Raha any lavitra any ianao
Ny soratanana sy sarinao
No mba banjiniko mandrakariva
Nefa tsy ampy ahy ireo raha tsy tena ianao
Satriko foana
Tsy misara-dia izaho sy ianao
Tsy mifandao fa izay misy anao misy ahy
Ny fahitako anao eo anilako eo
No harena sarobidy indrindra amiko
Na ny maraina miposaka ny andro
Na ny hariva izay mody masoandro
Indrindra fa ny alina izay mangina
Tsy tony aho raha tsy eo anilako ianao
Satriko foana
Tsy misara-dia izaho sy ianao
Tsy mifandao fa izay misy anao misy ahy
Ny fahitako anao eo anilako eo
No harena sarobidy indrindra amiko
Rehefa eo anilanao aho
Rehefa eo anilanao aho
Toa hasambarana hatrany
No manerana ny foko sy ny saiko
Na ory na malahelo aho(na ory na malahelo)
Na trotraka na sorena(na sorena)
Hisava daholo izany
Rehef'eo anilako ianao
Satriko foana
Tsy misara-dia izaho sy ianao
Tsy mifandao fa izay misy anao misy ahy
Ny fahitako anao eo anilako eo
No harena sarobidy
Indrindra amko
Satriko foana en duo avec Colombe =)


